ANTANAMALAZA Tsaravoninahitra

Fokontany iray anatin’ny kaominin’i Masindray, distrikan’Avaradrano, no misy an’Antanamalaza. 30 km eoeo miala an’Antananarivo, mankany amin’ny làlam-pirenena faharoa iny no misy azy. Azo lazaina ho mbola ambanivohitra Antanamalaza.



Amin’ny ankapobehiny dia mizara efatra Antanamalaza, izay ahitàna an’Ambohitravaratra, Namehana, Marolambo ary Marotanora.

Ahitàna fiangonana katolika sy protestanta ny tanàna, ary sekolim-panjakana iray sy sekolim-pinoana iray.

Ny ankamaroan’ny mponina ao dia mpamboly sy mpiompy, fady kisoa ny tanàna, ary raha misy minia mandika ny faditra dia tsy mahavanona akory.

Mbola maro ihany koa ireo vakoka mifono ny tantara izay hita eo an-toerana. Ny mpiray monina no mikajy sy manajary azy ireo mba tsy ho tontan’ny ela.

Azo lazaina akaiky tanan-dehibe ihany anefa ny tanàna ka tsy vitsy koa ireo mifamezivezy manan-draharaha toy ny varotra sns.

Voahodidina hadivory telo sosona ny tanàna, hadivory isan’ny miavaka, satria dia tsy mba nohadiana tamin’ny angady fa tamin’ny hazo. Mbola hita soritra eo izany ankehitriny, miaraka @ireo vavahady roa.

Voahodidina Aviavy 24 ihany koa ny vohitra, ary mbola hita miori-paka sy maintso tsara izany ankehitriny satria voatahiry sy voakolokolo.

Ahitàna zohy sy lava-bato fierena fahavalo ihany koa eo an-tanàna, izay mbola nampiasaina hatramin’ny fanjanahan-tany.

Vohitra avo Antanamalaza, tazana avy eo an-tampony eo avokoa ireo vohitra manodidina toa an’Ambohimanga, Angavo, Ifandana, Antananarivo, Ankaratra, sns.

Tsy mitoka-monina anefa izy fa voadidina tanàna maro, manan-tantara ihany koa satria iray tampo ihany.

Isan’ny mampiavaka ny vohitra koa ireo zava-boahary fitsaboana maro, izay mbola maro mpampiasa ka isan’ny mampiroborobo ny asa fitsaboana eo an-toerana.

Fanadihadiana nataon'ny fahitalavitra IBC : https://www.youtube.com/watch?v=ptCRKgxQ9n8

Ny tantara

Ara-tantara dia vohitra tsy nisy nonina teo Antanamalaza fahiny, fa ala manga avo dia avo. Ny lovan-tsofina no nitahiry fa nahenoana feo maro tao amin’izany ala izany, anefa tsy nisy nonina, ka natahoran’ny olona ny hipetraka teo. Dia natao ho Marololo no anarany.

Ny nanorenana ny tanàna

Fahiny, raha nandeha hizotra haka an’Ambatomanga ny Mpanjaka Andrianamponimerina, dia nandalo teo Marololo. Niara-dia tamin’ny rahalahiny, Andriamaheritsialaintany na Andriamaheritsialainolontany mpitari-tafika nitokisany, izy ka niato teo Marololo.

Resy lahatra tamin’ny hakanton’ny vohitra izy ka tapaka ny hevitry ny Mpanjaka fa ho atolony an’ity rahalalahiny ny vohitra, ka namponenan’ity farany ity teo ireo zanany telo mianadahy.

Ny lahimatoa, RAMBOLAMANANA dia napetrany hifehy an’ny Marololo, izay novaina ho Antamalaza taty aoriana. Niaraka taminy teo ny rahalalahany ANDRIANAIVO, ary nafenina eo ihany koa.

Ny faravaviny, RAKALANOSY, dia napetraka ery ampitan’Antanamalaza, eo Ambalanirana. Mpianadahy iray tampo ireo tanàna ireo, samy manana ny hanitra ho azy ihany koa.

Tsaravoninahitra

Raha Antanamalaza no resahina tsy afaka aminy ihany koa ny teny hoe “Tsaravoninahitra”.

Araka any voatahirin’ny lovatsofina, dia olona tia filaminana sy mifanao soa amin’ny mpiara-monina i Rambolamanana, ka rehefa nahita ny fahaizany mifehy ny tanàna ny Mpanjaka Andrianamponimerina, dia nanampy ny anaran’ny tanàna hoe Tsaravoninahitra.

Notazomina hatramin’ny ankehitriny izany anarana izany, ary zara lasa fiantsoana ny olona terak’Antanamalaza rehetra ka mamplaza azy ireo.

Ireo razambe nipoirana

Koa satria Antanamalaza no resahina, dia mifantoka amin’ny tantaran’i dadabe Rambolamanana ny tari-dresaka.

Araka any voalaza etsy ambony, dia zanaka lahimatoan’Andriamaheritsialaintany i Rambolamanana.

Andriamaheritsialaintany dia rahalahin’ny Mpanjaka Andrianamponimerina, iray ray aminy fa ny reny kosa no iavahany.

Zanak’Andriamiaramanjaka, mpanjaka teo Ikaloy, sy Ramerina avy eo Ikaloy ihany koa, izy. Mpirahalahy tsy mifankafoy izy roalahy satria dia mpitari-tafika natokisan’ny Mpanjaka tokoa raha ny rahalahiny, izay nafenina etsy Amboatany.

Maro ihany koa ireo olona malaza eo an-tanàna izay niaina teo saingy very tantara, ka eo an-dalam-pikarohana ny tompon’andraikitra min’izany.

Ny mampalaza ny tanàna ankehitriny

Toerana azo tsidihin’ireo mpankafy ny takamaso sy ny rivotra madio Antanamalaza. Ireo mponina ao ankehitriny, na ny taranaka, na ny mpiavy, dia samy niraiketan’ny soatoavina voizina eo amin’ny tanàna manao hoe “Manaiky be toy ny Tsaravoninahitra, ratsy atao azy manaiky, tsara atao azy manaiky”.

Tsy azo raisina ho fahalemena velively anefa izany, fa mariky ny fahaiza-miaina sy ny fitiavana filaminana, izay toavina amin’ny fiainana andavanandro.

Miavaka ihany koa ny vohitra amin’ny resaka fitsaboana ara-drazana, satria maro ireo mpitàna izany fahaizana nentim-paharazana izany eo an-tanàna.

Ny zava-boahary eo an-toerana toy ny rano sy ny hazo ihany no miasa amin’izany ary maro ireo efa nisitraka ny tombontsoan’izany no miverina sy manovo fahasoavana eny an-toerana.

Mitahiry ary sarotiny amin’ny vakoka, kolontsaina ary fomba Antamalaza Tsaravoninahitra, voalaza fa tsisy mahavanona izay mikasa hanao ratsy ny tanàna.

Ny endriky ny tanàna sy ny vakoka ihany koa dia voatahiry satria mbola ao ireo taranaka sy mponina izay manajary sy mikolokolo.

Tsy menatra mijoro izy ireo satria mahafantatra ny niandohany ary mandala izay nahitàny soa. Izany no mahavelona ny tantara ao anatin’izy ireo ka hiampitany amin’ny taranaka.

Jereo ato ny lahatsoratra amin'ny teny Frantsay sy ny fitsidihana an-tsary : https://hitamasoko.blogspot.com/2018/09/antanamalaza-tsaravoninahitra.html

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires