VAKINANKARATRA : NDEHA HOANY TRITRIVA

Ndeha hanalavitra an’Imerina nahazatra antsika teto amin’ny bilaogy isika amin’ity indray mitoraka ity ka hijery toerana iray manamarika ny faritra Vakinankaratra.




Vakinankaratra dia isan’ireo faritra 22 eto Madagasikara, tafiditra anaty faritany Antananarivo.

Tsy lavitra an’Imerina ny faritra, eo atsimon’Ankaratra, ka ny reniranon’i Mania no manasaraka azy amin’ny faritanin’ny Betsileo.

Fahiny dia fanjakan’Andratsay no niantsoana ny faritra Vakinankaratra. Izany Andrianony, andrianan’Alasora no nanorina ny faritra.

Antsirabe no renivohitr’i Vakinankaratra, toerana hiaingan’ny diantsika hoany Tritriva.

167 km miala an’Antananarivo no misy an’Antsirabe, tanandehibe fahatelo lehibe indrindra eto Madagasikara. Ny anarany dia nosintomina tamin’ny toe-tany feno sira mineraly noho izy voadidina volkano.

Raha miainga eo Antsirabe dia eo amin’ny 18 km miala eo no misy an’i Tritriva. Misy fiara fitanterana ihany mampitohy an’io zotra io saingy tsy matetika. Mamovoka ny làlana rehefa maintany, mamotaka kosa rehefa avy orana, ka fiara tsy matahodàlana no azo antoka fa mahavita ny dia.

Isan’ny fahafinaretana tsara koa ny manala ny làlana amin’ny tongomalady, na koa amin’ny dia an-tongotra hoan’ireo manampiniavana.

Raha niainga teo Antsirabe ary ny diako dia naka fiara fitaterambahoaka mizotra hoany Betafo, ka niala teo amin’ny PK7. Teo no nandraisako ny làlan-tany mihazo ny farihy Andraikiba izay nijanonana naka aina nandinihina ny dia an-tongotra mbola miandry.


Farihy Andraikiba : toerana mahafinaritra

Tahaka ny toerana mando maromaro amin’iny faritra iny dia volkano fahiny no niteraka an’Andraikiba ho lasa farihy. Toerana milamina sy maha te hitoetra maharitra, ifamezivezen’ny mpanjono sy ny mpanefy/mpivarotra vato.

Asa raha azo sotroina ny ranon’ny farihy fa hahitàna toerana fampakarandranon’ny JIRAMA eny an-toerana.

Misy mpitaridia hita matetika ihany koa eny an-toerana afaka manazava ny andinindininy mikasika ny farihy.


Andraikiba sy ny tantarany

Misy ihany koa ny lovantsofina mitahiry ny nanomezana ny anarany an’Andraikiba. Dia ny zanakandriana anankiray te hampiakabady anankiroa. Rehefa tsy nanaiky anefa izy roa vavy dia nampifaninanany nilomano teo amin’ny farihy. Saingy, ny anankiray nitondra vohoka dia rendrika ary maty tao anaty rano. Araho ny lahatsoratr’i Pela Ravalitera tao amin’ny gazety L’Express de Madagascar « Les amours malheureux selon la légende du lac Andraikiba » raha te hahalala kokoa ilay tantara.

Hotohizina ary ny dia, ka avy eo Andraikiba dia mbola misy 10 km mahery no hodiavina.


Ampolo kilometatra maro mianoka ny takamaso Vakinà

Mampitony sains sy mahafinaritra ny maso ka tsy hahatsapana havizanana ny tany takamaso amin’iny faritra iny. Faritra mamokatra indrindra noho ny toe-tany ka zary maintso lalandava ny tontolo mandavantaona. Tamin’ny fotoana nandalovako teny (martsa, fahavratra manorana), dia efa tapitra ny vokabary ka ireo katsaka no voly mameno izay tazan’ny maso rehetra.

Maro ny tànana kely andalovana, ary tazana fa mivelona amin’ny fiompiana sy fambolena ny ankamaroan’ny olona. Tsikaritra ihany koa anefa ny taratry ny fandrosoana samihafa eny an-dàlana eny. Azo lazaina tsy mitokamonina ny olona eny.

Manankarena olona ny faritra, ary feno aina ny tontolo satria dia olona mifanaretsaka no sendra ahy teny an-dàlana (mpanangombokatra, mpiasa, mpiangona-alahady moa ny andro). Tongomalady no fitaovampitaterana miasa indrindra any, na mitondra olona na mitondra entana.


Fiakarana farany

Ny farihy Tritriva dia volkano fahiny. Mbola tavela ankehitriny ny endrik’ilay havoana, antony mahatonga ny fiakarambe alohan’ny hahitàna ny farihy. Saika rakotr’ala ny havoana, saingy manify ihany izany noho ny fitrandrahana sy fanapahana azo. Mananotanona ihany koa ny fitrandrahana vato sy akora fanaovana simenitra.

Vao tonga eo an-tampony ianao ka mitopy maso mijery ny manodidina dia mihanoka fahasambarana anaty fankafizana ny tontolo maintso sy ambanivohitra ery ambany ivelany. Avy hatrany koa ianao dia mahita ampahany kely amin’ny rano manga mamiratra ao anatiny, izay toa takon’ny zava maniry ihany.

Rehefa mandroso manakaiky ny rano ianao dia mahatsikaritra ny endriky ny farihy, voalaza fa maka endriky ny sarintanin’i Madagasikara. Azo antonina tsara ny rano ary azo kasihina na hilomanosana aza. Tsara ihany anefa ny manamarika fa lalina dia lalina, tsy mbola hita akory ny faran’ny farihy ka mila mpilomano matotra sy mahay vao mirotsaka ao.

Ny mpitaridàlana moa dia manazava ny maha toerana arkeolojikan’ny farihy, ary mitantara ny angano manodidina ny toerana.

Tsy voazava kosa hatreto ny mahatonga azy ho toerana masina sy fady kisoa.

Tsy afa bela amin’ireo olona mivarotra vato sy asa tànana ianao rehefa tonga eny. Tsy hanenenenao kosa ny mitondra fahatsiarovana satria amin’ny vidina mora anefa tsara tokoa.

Dia izay ny dia tany Tritriva, asa ho aiza indray ny manaraka. Fa raha hanaraka an-tsary ianao na hamaky ny takelaka amin'ny teny frantsay dia ato.

Rary soa ho amin’ny manaraka indray !

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires