TSARASAOTRA - Sahan'ny vorona afovoan-tanàna

Saha midadasika mameno velarantany 27 ha i Tsarasaotra. Farihy sy zava-maniry maro fialokalofan'ny vorona izy ary toerana tsara rivotra sy maha te honina raha mpankafy natiora ianao.



Izany rehetra izany dia tsy aiza fa etsy Alarobia, na ny marimarina kokoa dia etsy Tsarasaotra Ivandry.

Raha te hivoaka ny tanàn-dehibe moa ianao, inona no tsy handehanana etsy Ambohitrantenaina ohatra.

Isan'ny mamplaza an'i Tsarasaotra ny fananany ireo karazam-borona marobe tsy ho voatanisa, izay tonga mitoetra aho, indrindra rehefa ny vaninandro mafana.

Faritra mando isan'ireo 20 voakilasy RAMSAR i Tsarasaotra. Toerana fanjonoana fahiny, saingy efa misy lamina sy fandaminana ankehitriny ny fidirana ao.

Ara-tantara

Tamin'ny taona 1890, talohakelin'ny fanjanahantany no nanapakevitra haka ny toerana ny Mpanjaka Ranavalona III, fony mbola "Nosim-boron'Alarobia" no anarany tamin'izany.

NIkasa hanorina lapa tao ny Mpanjaka ho ataony fivahiniana rehefa hiala sasatra izy.

Taty amin'ny fiatombohan'ny taonjato faha 19 no nandovàn'ny taranak'ingahy Rainilarivony (praiminisitra tamin'izany) ny toerana.

Ratelifera, zafin'ity farany no nivarotra ny toerana hoan'ny fianakaviana Ranarivelo, izay mbola tompony ankehitriny.

Ny fitantanana ny toerana

Ankehitriny dia fikambanana no manajary ny toerana (Association Parc de Tsarasaotra), izay natsangan'ireo taranak'itompokolahy Emile Ranarivelo. Ny tanjona di any hanajary, hikarakara ary hampahafantatra ny fisian'ny saha hoan'ny daholobe.

Ny vondrona mpikarakara hetsika ara-mpizahantany Boogie Pilgrim kosa no mandrindra ny ankapobehiny ny amin'ny fitsidihana sy fiarovana ny toerana.

Izy ireo rahateo no manome ny taratasy fahafahana mitsidika ny toerana.

Fehiny

Tsara ary ilaina ny mahalala nyf isian'ny toerana tahaka itony mba tsy haha tompotrano mihono antsika malagasy monina eto. Ilaina ny misitraka azy satria manampy amin'ny fitehirizana ny fikoloana ihany koa izany.

Entaniko isika, andao hitety vohitra, hitsinjo vakoka, hianatra tantara, fa ilaina izany. Handeha anie ho etsy Antongona ohatra e. Asa raha hainao hoe aiza no misy an'izany. Ato ihany koa mbola maro ny toerana mety hahaliana anao.

Raha toa ianao hitsidika an-tsary dia ato, raha ny teny frantsay koa no manavanana dia araho ato izany.

Mandrapihaona ary.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires