AMBOHIJANAKA - Atsimondrano

Vohitra iray ao anatin'Atsimondrano i Ambohijanaka na Ambohijanakandriana. Eo atsinanan'ny lapampanjakana Iavoloha, atsimon'Alasora, ao antsinana'Imerimanjaka ary andrefana ambanin'Ambohitrandriamanitra no misy azy. Tamin'ny andro fahiny dia vohitra manantantara mifaningotra amin'ny fanjakana teto Imerina i Ambohijanaka, mbola hita eny ihany ankehitriny ireo sisa vakoka vitsy tahaka ny vavahady vato sy ireo taotrano nanamarika ny vanimpotoana.


Raha ny fambolena sy ny fiompiana no no betsaka amin'ny fiveloman'ireo mponina, tsy diso anjara tamin'ny rivotry ny fandrosoana ny tanàna ka efa ahitàna fananganana goavana sy vaovao.

Ny tantaran'ny vohitra

Tamin'ny faha-Mpanjaka, dia ireo Famailahy, Antily sy Sakaizambohitra no nonina teo an-toerana/

Ny Andriana teo Ambohijanaka kosa dia voalaza fa taranak'Alasora. Ny Mpanjaka ANDRIANAMBONIMENA no nametraka ny zanany ANDRIANAVALONARIVO teo Ambohitrandriamanitra, izay namponina ny zanany efatra tamin'i RANAVALOMBOAHANGY (ANDRIANDAHIMBOLAMENA, ANDRIANAVALOMANITSADAHY, RATSIVINDA ary RANAVALONA) teo Ambohijanaka.

Rehefa niamboho Andrianavalonarivo dia nafenina teo an-tampon'Ambohitrandriamanitra araka ny hafany tamin'ireo zanany (Andriandahimbolamena sy Andrianavalomanitsadahy) izay nonina sy nafenina teo Ambohijanaka ihany.

Andriandahimbolamena kosa dia isan'ny nampalaza azy ny fanampiany an'Andrianampoinimerina nandritry ny fampandriantany tany amin'ny faritra Betsileo. Dia niarahan'izy ireo tamin'Andriantsoanandriana rain'Andriantsirangy. Taty aoriana dia nomena an'Andriantsoanandriana ny faritra iray tao Manandona Antsirabe sy Atsimondrano.

Tsara tsiahivina koa fa ny zanaka vavin'i Ratsivinda (RABODO), dia nanambady ny Mpanjakan'i Sakalavan'i Menabe, RAMASOANDRO. Izy ireo no niteraka an'i RAMITRAHO, raindRASALIMO, vadin'i RADAMA I. Izany no nahatonga an'Ambohijanaka ho isan'ny taranak'Andrianampoinimerina.

Ranavalona dia nanambady an'ANDRIAMANILANA ary nonina tany Manandona. Ny taranak'izy ireo no nanome ireo Andriamasinavalona amin'iny faritra iny.

" Araka ny famakafakana sy ny lovansofina niampita dia Andriamasinavalona no satan'Ambohijanaka noho Andrianambonimena. Saingy, misy Zazamarolahy nafenina eo an-toerana, mivantana avy amin'Andrianampoinimerina avy amin'i Ralainanahary.

RAFARALAHIMANJAKA, zanak'Andrianambonimena, no nanambady ny zanak'i Ralainanahary, natao hoe RABODOMANJAKA. "

Ny vohitra ankehitriny

Ny Rovan'Ambohijanaka dia izan'ireo nalaza nanana kianja tsara indrindra teto Imerina. Ankehitriny dia mbola tazana eo antokotanin'ny Rova ireo vato tsangana samihafa ary ireo fasana izay mbola hanitrihana an'ireo taranaka.

Vakoka vitsivitsy tahaka ny sisan'ireo hadivory, ireo hazo Masina ary ny trano kotona teo an-dRova ihany koa no mbola hita ao.

Manasa anao hitsidika ny rohy https://hitamasoko.blogspot.com/2020/06/ambohijanaka-ou-ambohijanakandriana-le.html raha hijery sary ankehitriny sy ny takelaka amin'ny teny frantsay.

Enregistrer un commentaire

1 Commentaires