AMBOHITROMBIHAVANA

Toera-manan-tantara hafa iray indray no handeha ho tsidihintsika. Vohitra nanana ny lazany fony faha-mpanjaka saingy tahaka ireo toerana sy vakoka eto amintsika, dia zary haolo sy adinon'ny olona avokoa.

Marika hita maso amin'izany ny eto Ambohitrombihavana izay zary fasana sisa no mameno ny tampon'ny vohitra.



Ambohitrombihavana - Vohitra

Ambohitrombihavana ny vohitra (fahiny) mifanalavitra eo amin'ny 10 kilometatra amin'Antananarivo raha mandeha amin'ny làlam-pirenena faharoa mankany amin'ny faritra atsinanana iny.

Vohitra isan'ny avo izy saingy ankehitriny dia ny fasan'ireo razambe sy ireo taranaka sisa no mameno azy. Ahitàna fasam-bahiny ihany koa ny lafin'ny vohitra sasany.

Ara-panjakana ankehitriny dia fokontany i Ambohitrombihavana, anatin'ny kaominina Ambohimangakely.

Mivelatra amin'ny velaran-tany 56 hektara ary misy eo aminy 1.600 eoeo ny mponina ao aminy.

Isan'ny fialambolin'ny olona teny fahiny ny Fanorona sy ny adin'akoholahy, ka hatramin'izao.

Taloha dia Ambohitralantenina no anaran'ny vohitra.

Andrianamboninolona

ANDRIANAMBONINOLONA dia zanaky ny Mpanjaka RAFOHY, zafikelin'ny Mpanjaka RANGITA avy eo Alasora.

Niteraka roa i Rafohy dia ANDRIAMANELO sy ANDRIAMANANINTANY. Ka rehefa nametra ny fandovàna fanjakana izy dia ny lahimatoa no manjàka ary dimbiasan'ny zandriny izany avy eo.

Rehefa nialona an'ity zandriny anefa Andriamanelo dia nampanirahany hovonoina Andriamananintany sy ny taranany, mba hampanjakany ny zanany dia i Ralambo.

Nafenina teo Ambohitrandriananahary Alasora (Ambohimanoa) Andriamanananintany, izay zarataniny ihany.

ANDRIANAMBONINOLONA kosa (zanany tamin'i Randranomboahangy), dia nitsaoka nankeny Ambohitralantenina.

Rehefa nangataka tamin'ireo olona teo izy ny honina ao dia nandray azy ny tao satria "vohitra omby havana" ny tanàna. Dia niova ho Ambohitrombihavana ny anaran'ny vohitra nanomboka teo.

Ireo taranak'Andrianamboninolona

Ara-tantara dia nanana vady maro Andrianamboninolona, ny taranany tamin'ireo no mitondra ny sata "Andrianamboninolona".

Ny voarakitry ny tantara tamin'izany dia Rasoavimbahoaka, Rafotsindrindramanjaka (anabavin'Andriamanelo) sy Rabefaravolamanjaka (zanak'i Rabiby izay niterahany an'i Rambavy).

Andrianamboninolona sy Rafotsindrindramanjaka

niteraka an'i Ratsitohinamanjaka (nomena ho vadin-dRalambo, zanak'Andriamanelo, Mpanjakan'Ambohidrabiby).

Izy ireo no niteraka an'Andrianjaka, Mpanjakan'Antananarivo voalohany.

Andrianamboninolona sy Rabefaravolomanjaka

niteraka an'ireo "Andriadoriamanjaka".

Ny taranak'i Rambavy kosa dia anyt amin'i faritry Masindray dia mitondra ny anarana "ZanadRalambo".

Ny toerana misy ireo "Andriamboninolona"

Nandritry ny fanjakan'Andriamanelo (talohan'ny 1575), dia teo Ambohitrandriananahary na Ambohimanoa i Andriamananintany no nitoetra niaraka tamin'ny ankohonany.

Rehefa niamboho izy dia nifindra tetsy Ambohitrombihavana Andrianamboninolona zanany niaraka tamin'i Rafotsindrindramanjaka vadiny.

Matetika anefa dia tonga mitsidika ny vadiny Rabefaravolamanjaka teo avaratr'Ambohidrabiby ihany izy.

Rehefa nanambady ny zanak'Andrianamboninolona vavy i Ralambo dia nanitatra ny zaratanin'ny zana-dralahiny hatreny amin'ny faritry Kilonjy.

Ka lasan'Andrianamboninolona avokoa ny tany teo anelanelan'ny anjaran'Andriatompokoindrindra sy Andriandranando.

Raha tianao ny hanaraka ny lahatsoratra amin'ny teny gasy na hijery sary dia ity ny rohy : https://hitamasoko.blogspot.com/2019/05/ambohitrombihavana-le-fief.html

Mankasitraka ny mpamaky dia amin'ny manaraka indray.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires