AMBOHITROMBY ANDRAMASINA

Andramasina dia distrika iray ao anatin’ny faritra Analamanga. Mizara 11 Andramasina araka ny fandaminana ara-panjakana (kaominina ambony sy ambanivohitra), isan’izany i Sabotsy Ambohitromby izay hotsidihintsika androany.



Ara-tantara

Raha ny voalazan’ny mpitantara dia vohitra nofehezin’ny Andriana mivady ANDRIANTSIATANDRA sy RATSARAMANJAKA vadiny i Ambohitromby. Mbola tazana ao ny fasan’izy ireo.

Raha ny fiandohàny kosa dia voalaza fa i RAMASINANDRIANA sy ny havany no nonina voalohany teo amin’ny tendrombohitra avo anatin’ny faritr’Ambohitromby. Ka ny zanany, Andriatsiatandra, taty aoriana no nanapakevitra ny hidina hanorimponenana ety ambany akaikin’ny rano sy tanimbary.

Misy tsiliotsofina sy mpitantara maro ihany koa mampifandray an’Andriatsiatandra sy Andrianjafimioro (Andriana nifehy farany teo Antongona).

Ratsaramanjaka kosa dia voalaza fa taranak’Andriankotofananina sy Ratsiavanga avy amin’Anosibe Trimoloharano.

Ny zanak’izy ireo : Rafotsiarivo Rasoanoro, Ratsimiantaka ary Ratavy.

Ny fanjanahantany : fotoana nanamarika an’Ambohitromby

Nandritry vanimpotoana nonenan’ireo frantsay mpanjanaka teo dia maro ireo olona novonoina sy nariana faty, indrindra fa tamin’iny faritra Andramasina iny.

Ny teo Ambohitromby manokana dia voarakitry ny tantara fa nosamborina avokoa ireo Andriana sy lehibe teo an-tanàna ka notifirina ary nariana faty tao anatin’ny hadivory manodidina ny tanàna.

Ireo afaka nitsoaka kosa dia lasa nipàka tany amin’ny faritanin’i Fianarantsoa sy ny manodidina iny.

Sabotsy Ambohitromby ankehitriny

Malaza amin’ny tsenany raha i Sabotsy Ambohitromby. Aty amin’ny 6 kilometatra mialoha ny tanànan’Ambohitromby no misy ny tsenan’i Sabotsy ary miampita ny ranon’i Sisaony, izay tsy azo dikaindakana, vao tonga any.

Ankoatry ny fasana misy tranomanara sy ny sisa amin’ny hadivory, dia tsy hahitàna vakoka firy intsony ny eo an-tanàna. Misy vato lehibe misy soratra amin’ny teny tsy fantatra moa eo akaikin’ny fasana, izay voalaza fa sorabe efa tamin’ny fotoana taloha tokoa.

Manomboka ahitàna ny mariky ny fandrosoana tsikelikely Ambohitromby na dia tsy faingana tahaka ny an-tanandehibe aza.

Raha mankafy mandeha an-tongotra sy ny tany takamaso anefa ianao dia hahita fy tokoa raha hitsidika izany vohitra.

Misaotra anao nanaraka ny diantsika androany.

Indro ny rohy raha hijery sary samihafa nalaina teny an-toerana na koa raha hamaky ny lahatsoratra amin’ny teny frantsay.

https://hitamasoko.blogspot.com/2018/08/ambohitromby-andramasina.html

Jereo koa Ambohitrantenaina, fa misy tantara mahaliana sy tsara ho fantatra ao.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires