AMBOHITRANTENAINA - Imamo

Handeha ianao ho entiko hitsidika an-tsaina ny vohitr’Ambohitrantenaina, any amin’ny 14 km miala ny renivohitra Antananarivo.



Ara-tantara

Raha ny voarakitry ny lova-tsofina sy ireo hany rakitra voatahiry dia i Raminia no Andriana voalohany nonina teo amin’ny vohitra. Voalaza fa mpihavy Malay avy tany Indonezia, nandalo tao la Meka ka lasa silamo, i Raminia. Niaraka taminy tonga teto ny rahalahiny Andriakovatsy sy ny anabaviny Andriandrakova. Ny taranak’izy ireo no atao hoe Zafiraminia.

Rehefa nandroso taona Raminia dia nisafidy ny hiala teto Madagasikara, fa nandidy ny fianakaviana kosa hijanona teto.

Ireto farany dia nanapa-kevitra hiroso lalindalina anaty ala ka hanalavitra ny morotsiraka. Nizotra hamonjy an’Imerina izy ireo ary nitondra ranomasina 5 siny.

Rehefa tonga teny amoron’ny reniranon’Ikopa, dia narotsak’izy mianadahy tao ireo rano mba hanehoany fa eo no honenany manomboka teo.

Iny faritra iny tamin’izany fotoana dia nonenan’ireo vazimba, ka nifampiteraka tamin’ireo taranak’Andriankovatsy sy Andriandrakova. Teraka teo ny taranaka Zafiraminia Andriambahoaka tany Imamo.

« Andriambahoaka »

Ho dinganitsika ny tantara ho aty amin’ny ilay Mpanjaka lehibe nalaza antsoina hoe Andriambahoakalehibe na Andriambahoaka rainy, izay nanapa-kevitra ny hamory ireo vohitra kely maromaro. Niteraka an’Andriambahoakafovoantany izy, izay nonina teo Amboniazy, mbola hita eo ny fasany ary ny fototry ny Rova nonenany mandrak’ankehitriny.

Ny tetiarana voatahiry :

- Andriambahoakalehibe niteraka Andriambahoakafovoantany

- Andriambahoakafovoantany niteraka Andriampovoandriamanitra

- Andriampovoandriamanitra niteraka Andrianatomponatsimondrano

- Andrianatomponatsimondrano niteraka Andriantokanady

- Andriantokanady niteraka Razakaratrimo

Razakaratrimo

Razakaratrimo dia zanak’Andriantokanady. Nanana lapa teo an-tampon’ny harambaton’Ambohitrambo izy (eo avaratr’Ambohinantenaina). Rehefa nahatsikaritra izy fa sarotra ny niaina teny noho ny fahalaviran’ny rano sy ny tanimboly, dia nangataka tamin’ny rainy izy hifindra honina ety ambany. Nanomboka teo izy no nonina teo Ambohitrantenaina, ao ihany koa izy no nafenina rehefa niamboho.

Nanambady roa Razakaratrimo :

- Ranoko : Andriambahoaka avy teo Antanamanjaka (Imamo)

- Rafarasoa Ramasindrazana (izay marihina fa efa vadin’Andriambongo (Andratsay) izay niterahany an’i Ramboasalama.

Ireo taranak’i Razakaratrimo tamin’i Ranoko (Andriamasinavalon’Imamo)

- Ramasimanana

- Rafaravavy Ratsivery (renin’i Raseheno, zaza nantsangan’ny Mpanjaka Ranavalona II, izay niteraka ny printsesy Razafindrazaka, vadin’ny printsy Ramahatra sy Ratsimamanga)

Ireo taranak’i Razakaratrimo tamin’i Rafarasoa Ramasindrazana

- Printsy Ramahatrarivo I

- Ramoma

- Printsy Ramonjamanana

Teo ihany koa ireo zanaka nantsangan’ny Mpanjaka Ranavalona II : Rasoarandrana, Ramahatra, Ratrimoarivony, Rampelasinoro.

Ambohitrantenaina sy ny fanjakana

Fahiny, voaodidina hadivory lehibe roa ny vohitra. Koa satria Andriantokanady dia isan’ireo nanaiky an’Andrianampoinimerina, dia nasandratra ho Andriamasinavalona ireo taranany.

Tao anaty fanamafisana ny fifanatonana dia nanapa-kevitra Andrianampoinimerina sy Andriantokanady fa hampifanambady ireto zanany, dia Razakaratrimo sy Rafarasoa Ramasindrazana (avy tao Ambatomanoina). Izy ireo no niteraka an’i Ramoma na ny Mpanjaka Ranavalona II.

Tao anatin’izany, velom-pialonana an’Andriantokanady ireto rahalahiny ka tonga namono azy. Tezitra tamin’izany Andrianampoinimerina ka nanenjika namono azy ireo tsirairay ka namoaka fitenenana hoe « Ataoko maty andro fa velon’aina i Andriantokanady ».

Razakaratrimo zanany moa no nandimby azy nifehy ny vohitra.

Rehefa tonga teo amin’ny fanjakana ny Mpanjaka Ranavalona II dia nahatsiaro ny fianakaviany avy any Imamo dia nanasa azy ireo hiakatra an’Imerina ka nonina teo amin’ny faritra Amparibe sy Ambonin’Ampahamarinana.

Azonao arahina ato ny lahatsoratra amin’ny teny frantsay. Ho hitanao ao ihany koa ny sary maneho ny vohitra ankehitriny (2018).

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires