AMBOHIMIANGARA - Imamo

Ry mpankafy dia an-tongotra sy ny hakanton'ny tany takamaso, andao hiaraka amiko indray hoan'ny amin'iny faritr'Imamo iny isika. Ho etsy Ambohimiangara isika, hamangy ny faritra voarakitra fa nonenan'izay Rapeto sy Rasoalao izany.



Raha mihazo an'iny làlam-pirenena voalohany isika, dia tazana managasanga ery Ambohimiangara raha vantany vao tonga eo Miarinarivo.

Rapeto sy Rasoalao

Ara-tantara, izay noraiketin'ny angano, dia vazimba roa mpivady i Rapeto sy i Rasoalao. Izy ireo no voalaza fa nonina teo Ambohimiangara, izay marihina fa tsy misy olona mitoetra ankehitriny.

Araka ny fitantaran'ny bokin'ingahy Callet (Tantaran'ny Andriana), dia nisy fotoana nampifamaly azy roa rehefa lanin'ny ombin-dRasoalao ny varin'i Rapeto.

Tezitra ity farany ka tsy naharitra intsony ka nanentsina ny fantsona fidiran-drano mankeo an-tanimbary. Tondraka noho izany ny tany ary zary lasa farihy lehibe, dia io Itasy hitantsika mandrak'ankehitriny io.

Ny fasan-Drasoalao moa dia mbola tazana eo an-tampon'ny tendrombohitra, izay feno irony andry vy lehibe avo dia avo.

Tendrombohitra avo

Isan'ireo tendrombohitra avo dia avo Ambohimiangara raha eto Imerina sy ny manodidina. Adimpamataranandro roa na telo no hanaovana ny dia raha hoeny an-tampony, mety mihoatra izay raha arakaraky ny hafainganam-pandeha.

Hoan'ny mpankafy natiora dia zava-poana izany satria takamaso mahasondriana sy zava maitso mlampitony no hameno ny làlana na dia mety mideza aza ny hafanana.

Tia dia an-tongotra ve ianao e? Andao koa hoany Antongona raha izany.

Te hijery sary? Araho ny fijeriko. Sa teny frantsay no mety aminao? Ato ary.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires