DILAMBATO - Zafimbazaha

Zary fahazarana (ratsy?) hoantsika ny fampiasàna ny anarana hoe "Dilambato" rehefa manondro ny tany any andafin'ny riaka isika.

Fantaro anefa fa vohitra iray eto Imerina no misy an'i Dilambato, ary isan'ny manan-tantara sy vakoka ihany koa teo amin'ny tantaran'i Madagasikara.

Hitodika mankany amin'iny faritra atsimo antsinanan'Antananarivo iny isika, hizotra amin'ny làlam-pirenena mihazo an'Ambatofotsy, ka eo amin'ny sampanana mankany Tsiafahy no mivily.

Tsiafahy tompoko dia tanàna, kaominina ambanivohitra ny marimarina kokoa, fa tsy fonja fotsiny araka ny eritreritsika izay mbola tsy tany. Anaty distrikan'Antsimondrano no misy azy. Ary na dia mampalaza ny toerana aza ny fitoeran'ny fonjabe ao, dia mifanalavitra ihany amin'ny tanàna no misy azy.

Hitodika any Tsiafahy isika satria vohitra iray miala eo amin'ny 2 km miala eo no misy an'i Dilambato.



Zafimbazaha

Ny Zafimbazaha dia ireo mponina avy eo amin’ny vakin’ny Sisaony, atsimo-atsinanan’Antananarivo.

I Sisaony no renirano mamaritra azy avy ao atsimo, Ikopa no ao avaratra, Varahina no avy aty atsinanana ary ny tendrombohitra Ambohimanatrika no avy aty andrefana.

Dilambato no renivohitr’i Zafimbazaha tany aloha tany, dia ilay am-pahadimin’ny faritanin’ny Vakinisisaony. Eo am-pototry ny tendrombohitr’Ambohimiatrikimerina amin’ny ilany atsinanana no misy vato naorin’Andrianampoinimerina izay atao hoe : Ambatomanankasina, izay mbola misy tanàna mandrak’ankehitriny. Atsinanan’Ambatomanankasina tokony ho iray kilometatra misy havoana voaaron’ny hadivory, mifanao atsimo sy avaratra, ka ilay avaratra no atao hoe Dilambato .

Ny nipoirany

Tamin’ny andron-dRalambo, teo anelanelan’ny taona 1575-1610 dia nisy Arabo Talaotra tonga teto anivon’ny riaka , nivarotra voahangy teo Ambohiboahangy eo Ambohimalaza ; nividy zavatra ahazoam-bola teo Ambohimanambola.

Ny sasany tamin’ireo ireo Arabo Talaotra ireo dia nipetraka nonina teo Dilambato. Avy nizaha ireo arabo talaotra ireo ny lafivalo. Ambaran’ny lovantsofina fa ny tompotany avy mijery ny vahiny vaovao  dia niteny hoe : " voazaha ny vahiny ao ” na voajery ny vahiny ao. Ny vao hizaha kosa , hono , nanontany hoe : aiza izany voazaha ? dia raikitra hoe Vazaha, hono, ny anaran’ireo Arabo-Talaotra ireo ka teo Dilambato no nitrangan’ny anarana hoe : “vazaha”. Arabo-Talaotra avy ao Dilambato ilay milevina ao Ambazaha, ambany andrefan’ny tsena Alatsinain’Ambazaha. Misy koa anefa milaza fa ny teny hoe Vazaha dia karazan’ahitra efa nisy fahagola.

ANDRIAMBAZAHA

Tamin'ny vanim-potoana nanjakan'i Rafandramanenitra sy Rafaramahery teo Ampandrana, sia izany vazimba ANDRIANTAKADY no nifehy an'i Tsiafahy.

Nanan-janaka efatra izy, dia : ANDRIAMBAZAHA , ANDRIANTOMPOINAVOLO , RAVOLOLONA ary 
ANDRIATSOHARANA.

Ity lahimatoa no nanapakevitra hifindra monina hihazo ny toerana avo dia nonina teo Dilambato izy.

Ny taranany taty amin'ny andro nanjakan-dRalambo dia nanambady an'ireo arabo talaotra tafatoetra teo amin'ny faritr'i Dilambato ka niterka ny atao hoe "ZAFIMBAZAHA".

Taranaka voalohany indrindra voarakitry ny tantara dia Andriantomponarivo sy Andriambohimiarina. Ity farany no ray niteraka an'Andriamampandry, mpanolontsaina lehibe an'ny Mpanjaka Andriamasinavalona.

Raha teo Dilambato sy ny manodidina an'i Tsiafahy no voalaza fa nipoiran'ireo zafimbazaha, dia efa nihitatra be ireo toerana ahitàna ireo taranaka ankehitriny (Ambatofotsy, Behenjy, Ambatofahavalo, Tsiafahy, Alatsinainy ambazaha, Ambatolampy, Ambohimandroso, Vinaninkarena, Vatofotsy hatrany Antsirabe).

Dilambato ankehitriny

Tanàna haolo Dilambato ankehitriny. Fasana sy toerana fanasinana voalaza fa itoeran'Andriambazaha sy ireo arabo talaotra nonina teny no ao. Toerana mbola manana ny hasiny anefa, ka izany no mahatonga ireo olona maro tonga mangataka fitahiana eny an-tampon'i Dilambato.

Misaotra anao tonga teto.

Raha hanaraka ny lahatsoratra amin'ny teny frantsay ianao dia ato, na koa te hijery sary.

Tia mandehandeha, maro ny toerana manan-tantàra, an eto Imerina fotsiny aza. Ohatra hoe Antsahadinta.

Enregistrer un commentaire

1 Commentaires

  1. Mankasitraka @ site ary manasa antsika rehetra koa hijery ireo pages Facebook mahakasika ny Zafimbazaha Dilambato sy ny Takady.

    RépondreSupprimer