36 km miala ny renivohitra no misy azy. Tendrombohitra avo any amin'iny faritr'Imamo iny no misy an'Antongona. Voasokajy hoe toeram-pikarohana sy harovana momba ny arkeolojia ny toerana ankehitriny, voarakitra ao amin'ny lisitry ny UNESCO.
Ny dia
Raha miala eto Antananarivo dia mizotra mankany amin'ny faritra Itasy. Rehefa tonga eo amin'ny fidirana an'ny tanà nan'Imerintsiatosika, dia miteroterona ery ankavanan'ny takamaso ery Antongona.
Ahità na toro-là lana sy takelaka mitari-dia eny an-dà lana, fa azonao atao ihany koa ny manontany ny eny amin'ny faritra lalovanao.
Fa ra ny diako nankeny, dia là lana mamovoka teo amin'ny 7 km teo no natao an-tongotra, manavatsava tanim-bary sy tanà na ambanivohitra izay toa tsy nandairan'ny fotoana fa nijanona tamin' ny endriny taloha ihany.
Rehefa tonga eo Ambohibato ianao, dia eo no miatrika ny fiakarana mandrapahatonga eny an-tampony.
Ny toerana
Rova iray isan'ny manana teti-piarovana maty paika sy saro-bahana ny Rovan'Antongona. Tery sy miolakolana ny là lana, ary kitaotaona no diavin'ny tongotra, izany dia natao mba hampihena ny hafainganam-pandehan'ireo mety hanafika ny Rova.
Mbola tazana maro ihany koa ireo rarivato fahiny sy ny vakok'ireo vavahady maro sosona miakatra mankeny amin'ny Rova.
Eny an-tampony kosa ireo tranokotona anankiroa, izay tranom-bakoka naorina teo amin'ny toeran'ny Rova fahiny, izay efa rava.
Ary koa, ireo fasan'ny Mpanjaka nifehy ny vohitra sy ireo taranany.
Manila eo kosa ny tendrombohitr'Ambohimirandrana, toerana avo hahità na vakoka maro samihafa ihany koa.
Ny tantara
Tamin'ny vanim-potoana nanjakanny Mpanjaka Ralambo dia renivohitr'ireo Vazimba Zanakolondrano Antongona.
Ny Mpanjaka Ralambo no naniraka an'Andriambodivato sy ireo zanak'Andriampolofantsy ary Andriampanorimanga haka ny vohitra mba hanaovana azy toby hanoherana ny sakalava mananika an'Imerina fahiny.
Taty anelanelan'ny taonjato faha 17 sy 18 no noraiketin'ny tantara fa Andriamioro sy Andrianjafimioro no nifehy ny vohitra farany.
Tamin'ny fiafaran'ny taonjato 18 kosa dia nafindra tany Andramasina ny fitondrà na ka tafiditra ho zara-tanin'Andramasina ny Rovan-Antongona, teo ambany fifehezan'Andriantsolo.
Toerana tian'ny mpikaroka sy mpitia dia an-tongotra raha i Antongona. Raha isan'izany ianao, dia ho tianao koa Ambohimiangara. Tendrombohitra avo amin'iny faritra Imamo iny ihany koa.
Raha te hitsidika an-tsary ianao, na koa ny teny frantsay no manavanana dia ato.

0 Commentaires