ANTONGONA - Imamo

36 km miala ny renivohitra no misy azy. Tendrombohitra avo any amin'iny faritr'Imamo iny no misy an'Antongona. Voasokajy hoe toeram-pikarohana sy harovana momba ny arkeolojia ny toerana ankehitriny, voarakitra ao amin'ny lisitry ny UNESCO.



Ny dia

Raha miala eto Antananarivo dia mizotra mankany amin'ny faritra Itasy. Rehefa tonga eo amin'ny fidirana an'ny tanànan'Imerintsiatosika, dia miteroterona ery ankavanan'ny takamaso ery Antongona.

Ahitàna toro-làlana sy takelaka mitari-dia eny an-dàlana, fa azonao atao ihany koa ny manontany ny eny amin'ny faritra lalovanao.
Fa ra ny diako nankeny, dia làlana mamovoka teo amin'ny 7 km teo no natao an-tongotra, manavatsava tanim-bary sy tanàna ambanivohitra izay toa tsy nandairan'ny fotoana fa nijanona tamin' ny endriny taloha ihany.

Rehefa tonga eo Ambohibato ianao, dia eo no miatrika ny fiakarana mandrapahatonga eny an-tampony.

Ny toerana

Rova iray isan'ny manana teti-piarovana maty paika sy saro-bahana ny Rovan'Antongona. Tery sy miolakolana ny làlana, ary kitaotaona no diavin'ny tongotra, izany dia natao mba hampihena ny hafainganam-pandehan'ireo mety hanafika ny Rova.

Mbola tazana maro ihany koa ireo rarivato fahiny sy ny vakok'ireo vavahady maro sosona miakatra mankeny amin'ny Rova.

Eny an-tampony kosa ireo tranokotona anankiroa, izay tranom-bakoka naorina teo amin'ny toeran'ny Rova fahiny, izay efa rava.
Ary koa, ireo fasan'ny Mpanjaka nifehy ny vohitra sy ireo taranany.

Manila eo kosa ny tendrombohitr'Ambohimirandrana, toerana avo hahitàna vakoka maro samihafa ihany koa.

Ny tantara

Tamin'ny vanim-potoana nanjakanny Mpanjaka Ralambo dia renivohitr'ireo Vazimba Zanakolondrano Antongona.
Ny Mpanjaka Ralambo no naniraka an'Andriambodivato sy ireo zanak'Andriampolofantsy ary Andriampanorimanga haka ny vohitra mba hanaovana azy toby hanoherana ny sakalava mananika an'Imerina fahiny.

Taty anelanelan'ny taonjato faha 17 sy 18 no noraiketin'ny tantara fa Andriamioro sy Andrianjafimioro no nifehy ny vohitra farany.

Tamin'ny fiafaran'ny taonjato 18 kosa dia nafindra tany Andramasina ny fitondràna ka tafiditra ho zara-tanin'Andramasina ny Rovan-Antongona, teo ambany fifehezan'Andriantsolo.

Toerana tian'ny mpikaroka sy mpitia dia an-tongotra raha i Antongona. Raha isan'izany ianao, dia ho tianao koa Ambohimiangara. Tendrombohitra avo amin'iny faritra Imamo iny ihany koa.

Raha te hitsidika an-tsary ianao, na koa ny teny frantsay no manavanana dia ato.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires