ANTSAHADINTA - Imerinatsimo

Handeha indray ianao ho entiko hitsidika an-tsoratra ny Rovan'Antsahadinta sy ny tantarany, araka izay rakitra voatsirambiko sy tantara henoko.



Isan'ireo vohitra avo Antsahadinta. Eo amin'ny 20 kilometatra miala ny renivohitra no misy azy, mizotra mankany amin'iny faritra andrefana iny.

Ny endriky ny toerana

Ara-tantara dia anatin'ny zaratanin'Imerinatsimo no misy ny vohitra. Isan'ireo havoana lehibe indrindra izy, ary voaodidina hadivory fito fahiny, izay mbola misy hita ao nankehitriny ny vakok'izany.

Fahiny mbola tsisy nonina teo Antsahadinta dia voalaza fa ala matevina sy mando ny vohitra iray manontolo. Noho izany fahamandoana izany dia velona tokoa ny dinta ka nahatonga ny anaran'ny toerana.

Na dia efa vitsy aza ny ala eny an-dàlana mankeny dia mbola azo lazaina ho rakotra hazo ny tampon'ny vohitra sy ny manodidina azy.

Mbola hita ao avokoa ireo hazon'Andriana toy ny Amontana sy ny Aviavy, ary koa ireo karazana hazo fampiasa amin'ny fitsaboana sy asa aman-draharaha isan-karazany (Anonoka, Hasina, sns).

Ara-tantàra

Raha ny voarakitry ny tantara sy ny lova-tsofina dia ANDRIAMANGARIRA no Andriana voalohany nonina sy nanorina ary nifehy ny vohitr'Antsahadinta tany amin'ny taona 1725)

Misy filàza moa manambara fa izy io dia zanak'Andriamifonozozoro sy Ravololondrenitrimo (zanak'Andriamasinavalon sy Ratompoindraondriana). Misy koa filàza hafa fa anjarantsika no mikaroka sy manamarina.

Nananjanaka dimy izy, dia : RAMAKILAHY, ANDRIAMBOLAMENA, RASEHENO, RANIVOFOTSIMANJAKA ary ANDRIANETIVOLO. Ny taranak'izy ireo no antsoina hoe Zanamangarira.

Ny fanjakana teo Antsahadinta dia nifandimby tahak'izao :
- Ramakilahy (lahimatoa) dia tsy nandova fanjakana satria nanambady folovohitra.
- Andriambolamena lahiaivo no tokony handova ny fanjakana noho izany ka handimby an-drainy.

Mbola tamin'ny fahaveloman'Andriamangarira anefa dia tamy hanitatra ny fanjakany Andrianampoinimerina (Mpanjakan'Ambohimanga) ka avy nanafika an'Antsahadinta.

Rehefa azony ary ny vohitra dia nosafidiany hapetraka teo ny vadiny faha folo dia RABODOZAFIMANJAKA (zanak'Andriatsiramanjaka avy etsy Alasora).

Rehefa niamboho Andriamangarira dia nafenina teo amin'ny "fasan'dakana" (vato miendrika lakana) izay norafetiny fahavelona.

RABODOZAFIMANJAKA

Manana ny toerany eo amin'ny tantaran'Antsahadinta i Razafimanjaka noho izy napetraka ho mpifehy ny vohitra taorian'ny nampiakaran'Andrianampoinimerina azy ho vady.

Vao 14 taona monja Rabodozafimanjaka no nampiakarin'ny Mpanjaka ho vadiny ary napetrany hifehy ny vohitra.
Mbola zaza izy ary nangataka tamin'ny vadiny mba hampiarahina aminy eny ihany koa ny rainy sy ny zokiny lahy, dia i RATSIMISOTRY.

Noho izany dia tapakevitra ny hanitatra ny Rova fahiny izy ireo, ka noho ny fasan'Andriamangarira niorina teo ambony vato, dia tsy maintsy nikisaka taty atsimo kokoa ny Rova vaovao.

Antsahadinta ankehitriny

Tahaka ireo vohitra manantantara hafa eto Imerina dia zary adinon'ny olona ny fisian'ny Rovan'Antsahadinta. Vitsy ny mpitsidika anefa raha zohiana ny làlana dia tsy dia sarotra ary tsy lavitra na somary mamotaka azy.

Ao kosa anefa ireo taranaka (Zanamangarira sy Rabodozafimanjaka) izay miezaka mikarakara sy mamelomaso ny Rova sy ny manodidina azy.
Voatahiry soa ihany izany na dia tsy mbola tafarina aza ny Rova ankehitriny.

Ny zava-misy aho ankehitriny :

- Ny ala voatahiry izay mbola hahitàna karazana hazo maro fampiasa amin'ny fitsaboana sy fiainana andavanandro
- Ny vakok'ireo ahdivory fito sosona fahiny
- Ny vakok'ireo vavahady roa fidirana ny Rova fahiny dia "Tsiafadahiantitra" sy "besakana"
- Ireo Fasana : Andriamangarira, Rabodozafimanjaka sy ny taranany, Ratsimisotry sy ny taranany, Andriamboatsimarofy sy ny taranany (Mpanjakan'Analamanga fahiny izay rehefa resin'Andrianampoinimerina dia nikisaka sy niamboho tetsy Fenoarivo, nafindra tao ANtsahadinta ny taona 1794), Ratsimihara.
- Ny vato Masina
- Ny vato fikabariana
- Ny fahatr'omby fahiny
- Ny fatsakan'Andriana
- Ny tranom-bakoka naorin'ireo taranaka Antsahadinta taty aoriana izay hahitàna an'ireo vakoka sy sisa fitaovana nampiasaina tamin'ny fotoan'androny.

Ry zana-bazaha, raha mahaliana anao ny hamaky ny bilaogiko amin'ny teny garamaso, dia ato izany. Raha toa ianao te hijery sary ihany koa dia ato indray.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires