IKALOY - Alahamadintany

Tsy vitsy no mahalala fa Ikaloy no toerana nahaterahan’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina, saingy raha hanontaniana ny misy marina na ny mombamomba izany toerana izany dia tsy mahay.

Izany tsy fahalalana izany anefa tsy voatery hahamenatra (fa mahamenatra ihany), satria sarotra ny fikarohana ny tantara noho ny zava-nisy (misy) teto amin’ny firenena hatramin’izay.

Vitsy dia vitsy ireo boky sy rakitra mitahiry ny tantara raha Ikaloy manoraka, zara raha vahiny avokoa no nanoratra azy ireny ary tsy taka-bidy ny sarany raha misy.

Ity takelaka ity anefa raha hiresaka an’Ikaloy dia tsy ny hahazava ny lesona tokony ho hay hatramin’izay no tanjona, fa ny hizara izay kely fantatra ka ilaina tehirizina. Tsy ny marina faratampony no havoaka eto, fa izay tokony hampitaina mba hahalalàna, hitehirizana, HANITSIANA sy hifampizaràna amin’ireo mila izany.


Ny toerana

Ikaloy dia vohitra avo sahabo 1600 metatra eoeo. Haolo ny tampon’ny vohitra nisy ny Rova ankehitriny, ka ny fasana sy trano fanasinana sisa no tazana eo. Misy tanàna kely telo manodidina ny tendrombohitra, sahabo ho eo amin’ny 30 minitra amin’ny dia an-tongotra eo ny manasaraka azy ireo.

Mizotra amin’iny làlam-pirenena iny raha hoany Ikaloy, ka eo Talatavolonondry no mivily. Lalan-droa no hisafidianana, na avy aty amin’ny kaominin’i Sadabe na avy eo Ambolo.

Raha toa ianao liana amin’ny dia an-tongotra sy fankafizana ny tany takamaso, dia ho tianao koa Ambohimiangara.

Ny tantara

Raha ny filazan’ireo taranaka monina eny amin’ny manodidina, dia Analamanga no fiantso ny vohitra fahiny, noho izy rakotra ala manga tsy hay vakiana. Mbola hita amin’ny lafy ilan’ny tendrombohitra ihany ankehitriny ny fisian’izany ala izany.

Hatramin’izao ary moa dia voalaza fa tsy mety handairan’ny afo ny ala noho ny maha masina azy.

Ny fiavian’ny anarana « Ikaloy » dia anankiroa samihafa raha ny mpitantara :

  • Ny zanakavavin’ny Mpanjaka Andriambelomasina tamin’izany rehefa akaiky andro hiterahana dia nisafidy ny hoany Ambohimanga any amin’ny rainy. Ka rehefa nandalo tamin’ny filanjàna teo amin’i Analamange dia nietsi-jaza ka teo no latsaka ny tavonin’Andrianampoinimerina.
  • Ny zanaka vavimatoan’ny Mpanjaka Andriamasinavalona, natao hoe Ramatoanimerina dia nampanambadiana tamin’ny zanak’Anjafy. Niteraka zazavavy natao hoe Rakaloy izy ireo ka nomena ny anaran’ny vohitra nanomboka teo ny hoe Ikaloy.

Ankoatra ny maha toerana nahaterahan’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina an’i Ikaloy, dia voasokajy ho isan’ny vohitra 12 Masina koa izy, noho ny nametrahany ny vadiny (Rabodo, taranak’Andriatompokoindrindra avy etsy Ambohimalaza).

Ny taranak’izy ireo (Andriantsoa, Ravoninavalona et Razafinjanahary) no voalaza fa mpandova farany ny vohitra sy ny fiahiana ny toerana.

Ireo anarana nanamarika an’i Ikaloy

Azo lazaina ho maro ireo vokampikarohana mahakasika an’i Ikaloy manokana, saingy misy kosa ireo anarana misongadina tsara tadidy manodidina azy, dia :

  • RANAVALONANDRIAMBELOMASINA : zanaka vavin’ny Mpanjakan’Ambohimanga (Andriambelomasina) nivady tamin’Andriamiaramanjaka ary niteraka ny Mpanjaka Andrianampoinimerina.
  • RALAINANAHARY : zanak’Andrianampoinimerina nampamononoina rehefa tonga teo amin’ny fanjakana ny Mpanjaka Radama I. Nafenina ao Ikaloy ihany moa izy.

Ikaloy ankehitriny

Tahaka ny ankabeazan’ny toera-manan-tantara dia tsy voajary ary tsy voakarakara raha Ikaloy, na dia eo aza ireo mpahita tombotsoa aminy (fanasinana, fitsidihina…). Raha sarotra ny haminavina ny hamerina ny tanàna teny an-tampony fahizay, dia toa tsy vaindohandraharaha ihany koa ny fikajiana ny ala manodidina ka lafy ilany sisa no rakotra hazo.

Avo dia avo Ikaloy, ka hahatazanina ny takamason’Avaradrano amin’ny ampahany, ka tsikaritra amin’izany ihany koa ny faharinganan’ny zava-maniry, indrindra ny hazo.

Toerana azo tsidihina tsara anefa Ikaloy sy ny manodidina azy fa mila fiomanana sy fikarakaràna matotra ny dia.

Iza indray aloha ny diantsika androany, raha nahaliana anao arahaba soa, raha sanatria misy latsaka tokony naroso na diso tokony hahitsy, aza misalasala na misorona miteny ny tokony hotenenina.

Raha toa metimety aminao ny teny frantsay na koa hijery ny sary vitsivitsy avy tany an -toerana dia ato ny rohy.

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires