ANDRANOVAO Ambohimangakely

Vohitra iray any amin'ny faritra Antananarivo Avaradrano indray no handeha hitondràko anao mpamaky androany, dia any ANDRANOVAO.



Andranovao dia tanàna iray manan-tantara ao amin'ny kaominin'Ambohimangakely. Raha mizotra amin'ny By pass iny ka tonga eo amin'ny fihaonana Ambohimangakely, dia voara be maniry amoron-dàlana eo no toro-làlana mankany, satria eo no mivily mihazo an'Andranovao.

Voaodidin'Ambatofotsy Ambohimalaza eo atsimo izy, ary Ambohitrombihavana kosa eo avaratra atsinanana.

Ny tantara

Araka ny voarakitry ny tantara dia izany Andriana antsoina hoe RABIBIANDANITRA izany no tonga nanorimponenana voalohany teo. Ity farany dia zafikelin'Andriantompokoindrindra avy etsy Ambohimalaza, zanak'i Ratompoindraondriana.

Rehefa tonga teo an-tanàna Rabibiandanitra dia nanome azy ny anarana hoe Ambohitrolona ka nonenany sy ireo niaraka taminy.

Rehefa folaka Rabibiandanitra dia nafenina teo Ambohitrolona ihany, araka ny hafany.

Koa satria tsy niteraka izy, dia nandefasana Andriana hafa hifehy ny vohitra, ka taranak'Andrianamboninolona izany, dia ANDRIANTSIFERANA.

Ity farany anefa dia nisafidy tsy honina teo fa nanorina tanàna vaovao tetsy atsimo, ka nataony Ambohitroandriana no anarany. Teo no nitoerany niaraka tamin'ireo havany ary nampitoerany ny Andriana. Ny teo Avaratr'Ambohitrolona kosa no nataony honenan'ny Hova ary ny teo afovoany no nisy ireo Antily sy mpanompo.

Andriantsiferana no nanao ny hadivory teo an-tanàna sy namboly ny hazon'Andriana, izay mbola misy hita ao amin'izao fotoana.

Ny anaran'ny tanàna "ANDRANOVAO"

Misy filàza roa manambara ny fiavian'ny anaran'ny tanàna.

Voalohany,

Nisy tovovavy teo an-tanàna, natsoina hoe Razohary, nangatahan'ny zanak'Ambohidrabiby anankiray ho alaina vady. Rehefa tonga anefa ny andro nifanarahana amin'ny dinika sy raharaha dia tsy hita ralehilahy (tara noho ny halaviràna).

Tapakevitra ny teo an-tanàna fa handeha hody hisakafo fa toa tsy antenaina intsony ny andaniny. Kanjo rehefa lany ny sakafo dia indreny fa nigadona ralehilahy sy ny fianakavianay.

Nikorontana ny tao an-tanàna satria efa nandany masaka ka ho afa-baraka an'ireto vahiny. Saingy nanapakevitra ny ray amandreny fa tsy afaka hamorona ny tsisy ka nana hoe "tapoy rano vao ny sakafo aho ho an-janak'olona".

Dia teraka teo ny hoe ANDRANOVAO.

Faharoa,

Fony fahagola dia nohirahin'Andriantompokindrindra mandeha lavitra ireo mpanompony rehefa haka rano.

Ireto farany anefa rehefa nandehandeha dia nahita loharano vaovao teo akaiky ny tanàna, dia novaina ho Andranovao no anaran'ity toerana avy eo.

Ankehitriny

Tanàna ambanivohitra Andranovao. Na dia misy amriky ny fivoarana maro hita soritra aza ao an-tanàna, dia mbola mpamboly sy mpiompy ny hakamaroan'ny mponina.

Dia izay aloha no azo naroso, misaotra naharitra namaky.

Raha misy hanampiana, na hanalana, na disoina na hamafisina, dia atero aty amiko fa "hoatapoako rano marina mba hahitsy izay tsy nety".

Mankasitraka indrindra.

Raha havanana amin'ny teny frantsay na hijery sary fotsiny dia ato e : https://hitamasoko.blogspot.com/2019/05/andranovao-ambohimangakely.html

Enregistrer un commentaire

0 Commentaires